Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HJRA : nohavaozin’ny Vivo Energy ny sampana fandidiana ny zaza

HJRA  : nohavaozin’ny Vivo Energy ny sampana fandidiana ny zaza

Vita ny fanavaozana tanteraka ny sampana chirurgie viscérale ho an’ny ankizy ao amin’ny HJRA. Vokatry ny famatsiam-bola nataon’ny orinasa Vivo Energy no nahavitana ny asa rehetra, nanomboka amin’ny fandokoana sy fanatsarana ny efitrano fandraisana ny marary hatramin’ny toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy. Mbola nanome kilalao maro sy fahitalavitra hapetraka ao amin’ny trano fialamboly ho an’ny zaza ny tomponandraikitry ny orinasa, omaly. Nosoloina avokoa ny varavarana efa simba ka novana ho vy, nohavaozina ny jiro rehetra. « Zava-dehibe ho an’ny orinasa ny fanatsarana ny toeram-pitsaboana ny ankizy satria avy amin’ny fiarahamonina ireny zaza ireny ka mila karakaraina sy homena toerana madio », hoy ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny Vivo Energy, Razakabona Johanne, omaly teny Anosy. Ahafahan’ny zaza manadino ny aretina ny toeram-pialamboly feno kilalao mandritra ny fandalovany eny. « Isan-kerinandro, 30 ny fandidiana miditra ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fandidiana zaza. Atao ao avokoa rehefa fandidiana, ankoatra ny fo sy ny loha.  Amin’ny  zaza 30 didina, 15 efa voaomana fa ny 15 ambiny vokatry ny hamehana. Ny hernie sy ny ectopie testiculaire ny ankamaroan’ny tranga mila fandidiana », hoy ny tomponandraikitra ny sampana, Raherison Aristide Romain. Eo koa ny fahasamponana samihafa sy ny homamiadana. Maimaimpoana ny fitsaboana fa vidian’ny marary kosa ny fitiliana sy ny fanafody rehetra ilaina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.