Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana fety : samy manao izay ho afany ny ray aman-dreny

 Mitady izay hanomezana fahafaham-po ny zanany ireo ray aman-dreny hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Midi-trosa mihitsy ny sasany hamalifaliana an-janany. Tiana hitovy amin’ny zanaky ny rehetra ny zanaky ny tena mba tsy hahatsiaro tena ho miavaka na isintahan’ny namany. Ny an’ny ray aman-dreny sasany, iantohan’ny orinasa ny kilalao ho an’ny ankizy. Ny an’ny hafa kosa, tsy maintsy mitady vola hafa ankoatra ny miditra isan’andro hividianana izany kilalao izany.

Ny tokantrano sasany, niezaka nanangom-bola nandritra ny taona hahafahana mividy kilalao. Tao koa ireo ray aman-dreny mamaky ny boatin-drakitra tahiry hatrizay ho an-janany rehefa fety toy izao. Tsy misy latsaky ny 5 000 Ar ny kilalao eny an-tsena. Manana ny karazan-kilalao takiny anefa ny ankizy ary te hanana mitovy ny an’ny namany ao an-tanàna na any am-pianarana ka tsy maintsy omena fahafaham-po.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.