Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatolampy : tsy nanadino ny kamboty ny Star

Tsy nanadino ireo ankizy beazina sy tezaina ao amin’ny akany fandraisana ny ankizy kamboty zanaka mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisy nasionaly ny orinasa Star. Ho fiatrehana ny fety, nizara fanomezana ho an’ ny ankizy 72 raisina an-tanana ao amin’ny akany ny tomponandraikitry ny orinasa, notarihin’ny sekretera jeneraliny, Rabary Anna, ny alarobia lasa teo. Hetsika fahatelo nataon’ny orinasa izao, nanomboka ny Krismasy taona 2015, fotoana nizarana fanomezana sy fitaovam-pianarana ho azy ireo. Nohavaozin’ny orinasa Star koa ny efitrano fatoriana ny volana aogositra lasa teo.

Les commentaires sont fermées.