Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsohihy : kamiaobe citerne nivadika, nifarombahan’ny olona ny solika

Antsohihy : kamiaobe citerne nivadika, nifarombahan’ny olona ny solika

 Tantely afa-drakotra araka ny fitenenana ny nanaovan’ny olona ny solika very tamin’ilay kamiaobe citerne nivadika tany Antsohihy, omaly antoandro. Araka ny fampitam-baovao voaray, noho ny fisian’ny lalan-dratsy no nampivadika ilay kamiaobe rehefa niala  lavaka ny mpamily. Nivadika avy hatrany ka nitsivalana teo afovoan’ny arabe ity kamiaobe ity. Vaky ny citerne ka nandriaka eran’ny lalana ny solika nentiny. Samy nanao izay ho afany tamin’ny fifarombahana ny solika very ireo mponina eny amin’ny manodidina ity toerana nitrangan’ny loza ity. Samy nameno tamin’ny bidao mavo ny olona satria tantely afa-drakotra ka maka izay zakany. Nisy tamin’izy ireo aza nivarotra izany teo akaikin’ny toerana nampivadika ity kamiaobe ity.

Somary niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny lalana hihazo an’Antsiranana ity kamiaobe nivadika ity noho izy nitsivalana teo amin’ny arabe. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny ratra nahazo ny mpamily sy ny mpanampy azy vokatry ny fivadihan’ny fiara.

Taksiborosy iray hihazo an’i Fianarantsoa koa nivadika tao Ambatolampy, omaly antoandro ihany. Naratra ny sasany amin’ireo mpandeha tamin’ity fiara Sprinter ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.