Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vangaindrano : mpianaka nanao trafikan-drongony

Vangaindrano  : mpianaka nanao trafikan-drongony

 Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vangaindrano tao Vahapaky Ampasimalemy Vangaindrano omaly maraina, ny mpianaka nanao trafikan-drongony. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, noraisim-potsiny teo am-piomankomanana ny handefa ireto rongony ireto tanaty sakaosy sy gony izy mianaka. Voalaza fa saika halefa hihazo an’Antsirabe izy ireto ka ny zanak’ilay raim-pianakaviana voarohirohy ity ihany no nokasainy hampitondraina izany. Mpamatsy rongony ny asan’ity raim-pianakaviana ity, raha ny fanampim-panazavana nomen’ny zandary hatrany. Efa malaza ratsy amin’ny fanaovana trafikana rongony izy mianaka ireto, araka ny fampitam-baovao. Tsy vitan’izany fa io mihitsy no fiveloman’izy ireo. Nohamafisin’ny zandary fa antony iray mampirongatra ny asan-jiolahy ao Vangaindrano ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.

Hatolotra ny fampanoavana izy mianaka aorian’ny fanadihadiana.

J.C

Les commentaires sont fermées.