Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : fiverenana amin’ny fahiny

Misy moa ireo manitrikitra mihitsy fa tsy vitan’ny ny hoe miverina fotsiny fa tsy mbola nisy fahataperana mihitsy izany fifamosaviana izany. Matetika moa tsy fantatra firy fa raharaha mangina ao amin’ny samy mpiray trano ihany no mitranga izany. Aiza tokoa moa no ahafahan’ny olona tsy mifampikasokasoka hifamorika ? Mampanahirana anefa eo amin’ny fisehon’izany fanapoizinana nanjo an’Andriamatoa Anthelme Ramparany izany. Tsy voalohany ny tranga toy izao izay nihatra tamin’ny olona nitana toerana ambony, mpikambana tao anatin’ny governemanta tamin’ity Repoblika fahefatra ity. Tamin’ity taona ity, na tsy fantatra marina aza ny antony dia efa nisy nampiahiahy ny aretina nianjady tamin’ny praiminisitra ankehitriny fony izy mbola minisitry ny Atitany. Tsy ela fa vao volana vitsivitsy fotsiny izay dia maty tampoka koa Itompokolahy Rodolphe Ramanantsoa izay mbola teo amperinasa tamin’ny maha minisitry ny Angovo azy. Anthelme Ramparany izay depiote ankehitriny, fantatra fa minisitra nitana toerana tamin’ireo governemanta roa talohan’ny naha praiminisitra an’Andriamatoa Olivier Mahafaly. Fifandrifian’ny tranga samy hafa fotsiny angamba izany. Nefa efa be ireo tsaho miely manodidina izany ary samy manana ny filazany avokoa ny rehetra. Izany moa dia toy fitrangan’ny andiam-balala. Ny zavatra nisy marina fa ny fanitarana ny fisehony tsy ferana ihany koa. Tsy ilaozan’izay mpanararaotra hanetsika izao karazan-keloka rehetra izao. Anthelme Ramparany moa dia niandraikitra minisitera izay mifehy raharaha saro-pady ka tsy ilaozan’izay tsy afa-po tao amin’izany sehatra izany. Ny tsy fahafaham-po nefa mety hiteraka lolom-po maniraka hanao izao asa fady rehetra izao. Noho izy nifehy ny tontolo iainana dia efa tompon’andraikitra ny fiarovana ny ala. Anisan’izany ny fanenjehana an’ireo mpandripaka ny harena voajanahary amin’ny famoahana an-tsokosoko “bois de rose”. Ity minisitra ity dia nanome toky ny fitsarana any Singapour ny maha ara-dalàna ny fanondranana ireo bolabolan’andramena 30.000 voageja any. Ny governemanta ankehitriny anefa dia mitsipaka izany ary mitaky ny famerenana an’io harembe izay heverina ho halatra io. Raharaha hafa koa ny momba ireo famonoana omby izay manondrana hena any ivelany. Maramara koa hono ny fomba fanao ao amin’izany sehatra izany. Misy aza sahy milaza fa  fanadiovana ny omby halatra no ataon’ny sasantsasany amin’ireny orinasa mpamono omby sy mpanondrana hena any ivelany ireny.

Ny mpitrandraka tombontsoa maizina hono tsy mihemotra amin’ny fanaovana valifaty amin’izay manohitohina ny tombontsoany.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.