Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nakarina ho “général de division” ny Jly Florens

Nakarina ho “général de division” ny Jly Florens

Efa nampoizina? Isan’ireo manamboninahitra nankarina ho général de division nandritra ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha, afakomaly ny Jly Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto Analamanga. Isan’ireo nahazo izany koa ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel ary ny talen’ny angom-baovao eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotoarison Anthony. Miisa 45 araka izany ireo kolonely eo anivon’ny Foloalindahy nahazo ny galona ho général de brigade raha miisa 17 kosa ireo général de brigade nakarina ho général de division.

Mendrika amin’ny nahazoany izany galona izany ny Jly R. Florens, toy ny nahazoan’ny zokiny, ny Jly Ravalomanana tahaka izany koa tamin’ny foton’androny. Ny tsy nampitovy azy, haingana be tamin’ny fanenjehana na ny fahitana ireo ahina na tao ambadiky ny resaka baomba ny teo aloha ary nanekeny ny anarany ho “Jeneraly Baomba” mihitsy izany. Hatramin’izao kosa, tsy mbola misy mangirana ireo raharaha fipoahana baomba. Anisan’izany ny tetsy Mahamasina, enim-bolana lasa izay. Na izany aza, tsy tokony ho tahaka izao ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana eto amintsika raha ny hamaroan’ireo bekintana. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, ho an’ny tanindrazana sy ny lalàna, tandroka aron’ny vozona… Mba tsy ho be tsy andraofana ?

Randria

Les commentaires sont fermées.