Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina : “Can ” faninefany hotsarain’i Hamada

 Taorian’ny taona 2012, 2013, 2015, mbola voatendry hitsara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2017), sokajy “sénior”, tanterahina any Gabon, ny 14 janoary ka hatramin’ny 5 febroary ho avy izao, i Hamada Nampiandraza.

Mpitsara afovoany no naha voatendry azy miaraka amin’ireo 16 hafa, hisahana izany andraikitra izany. Marihina fa nanomboka ny taona 2010 no nahalasa an’i Hamada ho mpitsara iraisam-pirenena. Tsiahivina fa efa nitsara lalao famaranana roa ny tenany : ny “Can U23”, natao tany Maraoka, ny taona 2011, sy tany Sénégal, tamin’ny taon-dasa. Teo koa ny famaranana, tamin’ny “Cosafa Castle Cup”, notontosaina tatsy Afrika Atsimo, ny taona 2015, ary ny “Super coupe de la Caf”, natao tany Lumbumbashi, Kongo, tamin’ity taona 2016 ity. Mahatratra 38 ny isan’ireo mpitsara voatendry ho an’ity “Can 2017” ity ka ny 21, mpitsara an-jorony, izay tsy misy Malagasy ary 17 ireo mpitsara afovoany.

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.