Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firaisamonina sivily : “Tsy mihaino mpitondra raha tsy teren’ny mpamatsy vola”

Firaisamonina sivily  : “Tsy mihaino mpitondra raha tsy teren’ny mpamatsy vola”

Tsy tena mihaino ny firaisamonina sivily malagasy ny fitondram-panjakana, raha tsy teren’ny mpamatsy vola indraindray. Anisan’ny lokan’adin’ny firaisamonina sivily, voarakitra ao amin’ny Dina iombonan’izy ireo io, tamin’ny fampahafantaran’ny hetsika Rohy izany teny Antaninarenina , omaly. Nisy ny fankatoavana tamin’ny fanaovan-tsonia.

Eo koa ny hoe: afangaron’ny olona amin’ny fitakiana politika ny firotsahana an-tsitrapon’ny olom-pirenena hanatsarana ny fiainam-bahoaka, tsy ampy ny sehatra hanambarana sy hizarana ny feon’ny vahoaka, tsy manampy ary tsy mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiasan’ny firaisamonina sivily ny lalàna misy, tsy ampy ny enti-manana.

Anton’ny Dina àry ny famaritana ny fahaiza-mitarika, ny famondronana sy ny fandrindrana anatiny ary ny fanamorana ny asan’ny firaisamonina sivily malagasy. Eo koa ny fitarihana ny fanaovana didy aman-dalàna ahafahana mametraka azy ireo eo amin’ny toerana sahaza azy sy eken’ny rehetra.

Misy ny iraka mifanohitra amin’ny azy

Iraka mifanohitra amin’ny an’ny firaisamonina sivily, araka ny Dina: ny fitadiavana tombontsoa manokana, ny fandraisana ny toerana natokana ho an’ny mpanao politika isan’ambaratongany sy isan-tsokajiny, ny fanaovana ny asan’ny sampandraharaham-panjakana, ny mandray na manao kolikoly amin’ny endriny rehetra.

Eo koa ny fanitsahana ny zon’ny hafa, ny endrika herisetra rehetra, ny tsy fitenenana na tsy fandraisana andraikitra amin’ny zava-tsy mety eo amin’ny fiainam-bahoaka na fitondram-panjakana, ny fanaovana politika na manana firehana politika, ny fanaovana asa manandrify ny fiangonana na antokom-pivavahana.

“Mamatotra ny maha izy azy ny firaisamonina sivily ny Dina amin’ny fomba mahaleo tena tanteraka. Ny firaisamonina sivily ihany no mandrafitra ny Dina, fa tsy alokalofan’iza na iza”, hoy, ohatra, ny filoha nasionalin’ny Voifiraisana/PFNOSCM, Ndriandahy Mahamoudou, eo anivon’ny Rohy.

Hanana ny toerany sy ho to teny eo anivon’ny firenena amin’izay ny firaisamonina, indrindra eo amin’ny mpitondra?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.