Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimanga Rova : vita ny tsangambato, hira faneva, sns…

Ambohimanga Rova  : vita ny tsangambato, hira faneva, sns…

Nifarana ny alahady teo ny fanamarihana ny faha-15 taona nanoratana ny vohitr’Ambohimanga Rova ho anisan’ireo harem-bakok’izao tontolo izao. Notontosaina ny zoma kosa ny lanonana ofisialy mikasika ity tsingerintaona ity. Maro ireo hetsika notanterahina nandritra izany.

Azo lazaina ho nisongadina indrindra ny fahavitan’ny tsangambaton’izao tsingerintaona izao sy ny nitokanana azy, ny zoma teo. Nohiraina voalohany, tamin’io fotoana io, koa ny hira fanevan’ny o

Ofisy miahy ny vohitr’Ambohimanga Rova na ny Oscar. Ankoatra izany, tsiahivina fa nampanao fifaninanana “logo” na sary famantarana ity ofisy ity. Fantatra tamin’io fotoana io ny tompon’ny sary voafidy, izay tsy iza fa Rakotomalala Voly Harinajy ka notolorana loka samihafa.

Naharitra herinandro ny fanamarihana ny faha-15 taona nanoratana ny vohitr’Ambohimanga Rova ao amin’ny vakoka iraisam-pirenena. Ny tamin’iny faran’ny herinandro iny no tena natevina ny fandaharam-potoana. Nilanonana tokoa ny ankizy teny amin’ny manodidina, nandritra ny “Amontana Krismasy”, ny asabotsy teo, tao amin’ny kianja Fidasiana.

Hetsika efa fanaon’ny Oscar izy ity, rehefa ankatoky ny Krismasy toy izao, saingy nifanojo tamin’io fanamarihana tsingerintaona io. Nahaliana ireo kilonga tonga marobe ny angano notantarain-dRakemba sy ny fifaninanana dihy isan-karazany. Tsy latsa-danja koa anefa ny fifaninanana manamboatra sy mandravaka hazo Noely.

Ny alahady kosa, nafana sy nahavory olona ny adin-kiragasy nifanandrinan-dRamilison Besigara Zanany, avy eny Fenoarivo, sy Razafimahandry avy any Sahavatobe.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.