Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : ny didy efa mipetraka

Mibaribary izao ny tsy mety fisin’izany fihavanana izany eo amin’ny sehatra pôlitika. Fifaninana no atao ao, samy miezaka ampanjaka ny hevitra toanan’ny tenany ary mba afahana anantaterahana an’izany dia tsy misy afa tsy ny fazaona ny fitondrana na fandraisana anjara amin’ny fitantanana. Fifaninana fandresen-dahatra ny vahoaka izay vaolaza loharanon’ny fahefana any mahefa amin’ny alalan’ny fifidianana anolotra fahefana andraiketana amin’ny anarany. Raha tsy tsanga-kevitra no toanan’ny mpanao pôlitika dia mazava fa tsangan’olona no any sisa vonto atin’ny fifaninana. Tsy mampalefaka ny fifaninana anefa izany fa vao miha mandrangitra firafesana. Mbola eo amin’izany ambaratonga izany amin’izao fotaona izao ny eto an-toerana, tsy misy foton-kevitra mampisaraka nohon’ny hevitra atao resadresaka ambangovangony fotsiny, tsy misy rafitra fandaminana ny làlana ombaina sy ny tetika ampiasaina. Rahefa azo ny faleovantena izay tanjona niombonan’ny maro dia toa ritra teo ny fandinihan-kevitra mitaiza famporosiana hitolona ho an’ny firenena. Resaka matavy iray sisa no nifandrotahana dia ny fampandrosona. Inona moa no ho fandrosona eo raha izany hevitra fandrosona izany aza tsy nandroso avy amin’ny fandinihana sy fandalinana. Atrany ka atraty ny androany dia mbola ny teo ihany no avadibadik’izay ray tonga, mitovy amin’ny hirahira nandrotsorotsona omaly ny vetsovetso ventibetesina heno androany.

Tsangan’olona sy ady seza no mibahan-toerana eo amin’

ny sehatra pôlitika. Diso làlana raha fampihavanana no antenaina hitondra fadiovana sy filaminana. Tsy efa mazava ve izao fa samy maramara saina daholo ireo niady hevitra tamin’ny fandanina an’ny lalàna fitantanana ny fifampiavanana. Manidina ambony tsy tratran’ny hery misy izany fadiovana izany, any tanjona afaka tratrarina dia ny filaminana. Tsy mbola hita izay fepetra mafehy filaminana ara-drariny toy ny lalàna miatra amin’na herin-dalàna azy. Tazana nefa fa nohon’ny fatsapana an’izany dia miseho ny afetsifetsena mirona any amin’ny filalaovana ny lalàna izay atao fitaovana famoretana sy fanjakazakana. Korontana indray ve no andrasana amerina ny amin’ny làla-mahisty ? Izany izy hoe korontana izany. Impiry izay no efa niantefan’ny vokadratsin’io fitaka io.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.