Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nisy nandoro… : fiara telo indray nirehitra teny Soavimasoandro

Nisy nandoro…  : fiara telo indray nirehitra teny Soavimasoandro

Sahin’ny sasany ny nandoro ny fiaran’olona mipetraka eny amin’ny Parking. Fiara telo indray kila forehitra. Mandeha ny fanadihadian’ny polisy manoloana izany.

Fiara telo indray nirehitra teo amin’ny Parking iray teny Soavimasoandro, omaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Tsy nisy noraisina ireo fiara telo fa lasa lavenona sy vy sisa tavela.  Fiara Merecedes Benz, Peugeot 307, ary ny iray Dacia ireto may ireto.

Araka ny fanazavan’ny kaomiseran’ny boriboritany fahavalo eny Analamahitsy, Bemana Rafenoarison Vigor, ilay fiara Mercedes Benz, no nirehitra voalohany ary niitatra tamin’ireo fiara roa hafa izany. Voalaza fa nindramin’ilay mpamilin’ny trano fisakafoana iray eny Ankorondrano fa hoentiny hamonjy mariazy io fiara Mercedes Benz io. Rehefa avy namonjy mariazy izy, napetrany  teo amin’ny fiantsonan’ny fiara eny Soavimasoandro ilay fiara. Taorian’izay ny nahamay ny fiara telo teny an-toerana. Ny fokonolona nihazakazaka namono ny afo. Somary taraiky ny mpamonjy voina vao tonga teny an-toerana.

Tokony ho voavonjy ihany ny fahamaizana raha toa ka tonga ara-potoana ny mpamonjy voina”, hoy ny olona. Torana avy hatrany kosa ilay mpamily ilay fiara Mercedes Benz raha vao nahita ilay fiara nindraminy, may kila tanteraka.

Nambaran’ny kaomiseran’ny Vigor, fa tsy tongatonga ho azy ny afo fa nisy nandrehitra ilay fiara. “Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ary efa misy ahiahina ho nahavanon-doza”, maninona no ireo fiara ireo ihany no nirehitra?”, hoy hatrany ny kaomisera.

Voalaza ihany fa nahitana afokasoka, hety, radio, fiara vaky fitaratra tsy lavitra io Parking io. Vao haingana ny nampisy ity parking ity ka tsy mbola misy mpiambina manokana. Andrasana ny famotorana momba ity tranga hafahafa ity.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.