Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Live your goal” : fampidirana ny tovovavy hilalao baolina

“Live your goal”  : fampidirana ny tovovavy hilalao baolina

Notontosaina tetsy amin’ny kianja ST Michel Amparibe, ny asabotsy lasa teo, ny andiany faharoa amin’ny “Live your goal”. Tetikasan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), amin’ny fampidirana ireo tovovavy hilalao baolina kitra. Ankizy 380 avy amin’ny sekoly tsy miankina toy ny kolejy St Michel sy ireo sekolim-panjakana, ny  CEG Antanimbarinandriana sy ny avy amin’ny fikambanana 4FA, ny Fahazavana, ny SOS Village d’enfants, ireo nandray anjara.

Tamin’ny alalan’ny “festival” na fampilalaovana baolina kitra ranofitsiny ireo ankizy no natao, toy ny fitanisana baolina, ny fomba fitsarana sy izay rehetra ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra.

“Ny fanomezana azy ireo fahafinaretana, hilalao baolina ny tena atao. Aorian’izao, dia hanohy izany any amin’ireo sekoly niaviany avy izy ireo”, hoy Mahatovo Ranja, tomponandraikitra voalohany amin’ity Live your goal, ity. Raha tsiahivina, niainga tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny vehivavy, natao tany Alemaina ny taona 2011 ity tetikasa ity. Nisy ny fanandramana natao tamin’ireo firenena hafa, ka nahitana fahombiazana. Anisan’ny nisitraka izany i Madagasikara ka nanomboka tamin’ity ny fampiharana izany, izay haharitra efa-taona. Tanjon’ny Fifa, ny fampiroboroboana ny baolina kitra vehivavy.

 Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.