Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Leader Fanilo : « Toherinay ny tsy rariny »

Leader Fanilo : « Toherinay ny tsy rariny »

Nivoitra tamin’ny fihaonamben’ny Leader Fanilo ny faran’ny herinandro teo, tany Mantasoa ny fanoheran’izy ireo ny tsy mety eto amin’ny firenena. « Tsy maintsy ampanjakana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny firenena. Ohatra, ny tokony hampahafantarana ny vahoaka mialoha ny tolo-dalàna momba ny tetibola… Takina ny hanaovana dinika haingana handaminana ny  olana noho ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny kolikoly, ny fandriampahalemana, ny tany tan-dalàna », hoy izy ireo. Nanao antso avo koa ity antoko ity momba ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana mba hampihenana haingana indrindra ny tsy fitoviana amin’ny fampivoarana ny faritra rehetra. Takin’izy ireo koa ny hanambaran’ny mpitondra ny daty marina hifaranan’ny fifidianana ho an’ny dimy taona niasana (2013-2018). Momba ny fifidianana ihany, mangataka ny hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny fokontany. « Tsy ekena ny fanendrena ataon’ny lehiben’ny distrika izany… Angatahinay koa ny fampitsaharana ny fanesorana ny ben’ny Tanàna voafidy ataon’ny fitsarana… », hoy ihany izy ireo. Ho an’ny Leadre Fanilo,  antoko miasa ho an’ny mateza izy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.