Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery todika 2016 – kitra ao Eoropa : mbola anjakazakan’ny klioba Espaniola ny fifaninanana

Jery todika 2016 – kitra ao Eoropa : mbola anjakazakan’ny klioba Espaniola ny fifaninanana

 Efa ao anatin’ny fanaovana tombanezaka amin’ny fifaninanana isan-tokony, natrehiny nandritra iny taom-pilalaovana 2016 iny avokoa ankehitriny, ireo kliobana baolina kitra any ivelany any. Hatreto aloha, raha ny tsapa mbola manjaka amin’ireo fifaninanana atao any Eoropa, ny klioba Espaniola, amin’ny fandrombahana ireo amboara sy anaram-boninahitra. Tsy tazana ao anatin’ny “Top 10” kosa ry zareo Frantsay amin’izany.

 Ny Real de Madrid no voalohany eo amin’ny fahazoana anaram-boninahitra betsaka indrindra tamin’ireo fifaninanana rehetra notanterahina tany Eoropa. In-11 nandrombaka ny tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, tamin’ny taona  (2016, 2014, 2002, 2000, 1998, 1966, 1960, 1959, 1958, 1957, 1956). Indroa kosa nahazo ny amboaran’ny Uefa ary indroa nahazo ny «Mondial des clubs» ary intelo nahazo ny «super coupe de l’Uefa».

Mahasarika mpijery 70.411 isaky ny manao fihaonana ny Real de Madrid, tato anatin’ny roa taona (2015, 2016). Marihina fa mpilalao ao amin’ny Real de Madrid, amin’ny alalan’ilay Portiogey, Cristiano Ronaldo, nandrombaka ny “Ballon d’Or 2016”. Faninefany amin’izao ity mpilalaon’ny Real de Madrid ity, nahazo izany. Izy ihany koa ny anisan’ireo mpilalao mpamono baolina be indrindra ankehitriny amin’ny fifaninanana any Eoropa.

 Mbola ekipa avy any Espaina hatrany no mitana ny laharana faharoa dia ny FC Barcelone, amin’ny fandrombahana ny fandresena amin’ireo fihaonana karakarain’ny firaisamben’ny baolina kitra any Eoropa na ny Uefa.  Indimy nahazo ny “ligue des champions” dia ny tamin’ny taona (2015, 2011, 2009, 2006, 1992). Intelo efa tompondaka eran-tany ary indimy nahazo ny “super coupe de l’Uefa” ary inefatra nandrombaka ny “coupe des coupes”. Marihina fa  i Lionel Messi, mpilalaon’ny FC Barcelone nahazo ny “Ballon d’or” betsaka indrindra izay efa nahazo izany indimy nisesy.

 Nangonin’i Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.