Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihana tao Andodabe : sarona tao Andilamena ireo jiolahy

Fanafihana tao Andodabe : sarona tao Andilamena ireo jiolahy

Roa volana taty aoriana raikitra ny fifampitifirana teo anivon’ny polisim-pirenena sy ny dahalo tao Andilamena, ny alin’ny talata hifoha alarobia. Vokany dahalo miisa telo no ravan’ny polisy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika sy kojakojana fanafody gasy, fitafiana miaramila. Raha tsiahivina, ny alin’ny talata 11 oktobra lasa teo no nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andodabe, distrikan’i Toamasina faharoa,  21 km miala an’i Foulpointe ka nahavoatifitra ny
lefitry ny ben’ ny Tanàna sy zanany iray ary nandoran’ ireo jiolahy ny tranon’ ity farany. Samy tsy nisy nisaron-tava izy telo lahy tamin’ izany.
Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena, araka ny fampitam-baovao voaangona tamin’ny kaomisera Randria, nahalalana fa tovolahy vao 25 taona zanak’ olona ao Andodabe ihany i Justin, nitarika ireo dahalo avy any ivelany nanafika tao amin’ny kaominina fiaviany.  Resaka lonilony ara-politika ny fiandohan’ny raharaha ka izao lasa asan-jiolahy izao.

Sajo

Les commentaires sont fermées.