Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CS-ANR… : « Atsaharo ny fanagadrana »

CS-ANR…  : « Atsaharo ny fanagadrana »

Tsy afaka hangina. « Takinay ny hampitsaharana ny fanagadrana sy fanenjehana ireo miaro ny tanindrazana. Foano koa ny sazy nomena ireo sahy mijoro maneho ny heviny ary takinay ny hamoahana madiodio an’Andriamananoro Augustin », hoy ny fanambaran’ny fikambanana maromaro, miara-dia amin-dRajoelina, tetsy Ampandrana ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny CS-ANR, ny Pro ANR ary ny TMH. Tsy vitan’izany fa mbola notakin’izy ireo ny hananganana fanjakana tan-dalàna sy ny hitantanana ny harem-pirenena ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. Eo koa ny tsy fanekena ny tsimatimanota amin’ireo rehetra manana fahefana. Manoloana ireo rehetra ireo, miantso ny hery rehetra ireto fikambanana ireto. « Aoka samy hitodika amin’ny vahoaka ka hiaro azy ireo satria ny vahoaka no fanjakana. Manainga ny rehetra hijoro amin’ny tena fitiavan-tanindrazana », hoy izy ireo.

Notsiahivin’ireto fikambanana ireto  fa miverimberina ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny ramatahora ary ny herisetra miaraka amin’ny fanamparam-pahefana atao amin’ireo sahy mijoro hiaro ny tanindrazany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.