Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andilamena : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

 Nirefodrefotra ny poa-basy tao Andilamena, afakomaly. Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy, basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny bala sy basim-borona iray ary PA Makarov iray miaraka amin’ny bala roa, baramina roa, maritoa ary fanamiana miaramila sy vola 2 tapitrisa Ar mahery no hita tany amin’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy ao amin’ny kaomisaria Andilamena, jiolahy avy nanafika tany Soanierana Ivongo sy Fenoarivo Atsinanana ry zalahy ireo. Nitsoaka nandeha taxi-môtô nihazo an’Andilamena izy ireo rehefa avy nananafika. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny polisy taorian’izay ka tratra teo amin’ny barazin’ny polisy hivoaka ny tanàna ilay môtô. Noraisim-potsiny ireo efa-dahy nandeha tamin’ilay môtô. Niroso tamin’ny fisavana avy hatrany ny polisy ka hita tao anatin’ity moto ity ny gony iray misy basy. Voasambotra avy hatrany roa tamin’ireo jiolahy. Nanambana basy ilay mpitondra taxi-môtô ireo jiolahy ary nilaza taminy ny handeha avy hatrany. Nitsoaka tokoa ilay mpitondra môtô saingy nitsambikina avy eny ambony môtô izy nandritra ny fifampitifiran’ny polisy sy ireo jiolahy. Vokany, maty ny jiolahy roa.

Jean Claude

 

Les commentaires sont fermées.