Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mahay maka lesona…

Tsy mahay maka lesona…

Olan’ny fifampitondrana eto, ny tsy fahaizana maka lesona na koa manova miainga amina tranga niseho tany aloha. Miverina hatrany ny tantara ary mifamadibadika ny mpilalao. Ny eo ihany no miverina… Tsy mba mahay maka lesona. Manao kajikajy politika sy tsy mijery lavitra fa miaina sy mijery ny eo ambany orona fotsiny. Tsy mahagaga raha tahaka izao, na niharatsy kokoa noho ny teo aloha hatrany ny lafin-javatra rehetra eto amin’ny firenena. Na fomba fisainana io, na fitantanana, na toekerana, ny fanabeazana, ny fanaovana politika… Mitontongana tanteraka ary ambony ambany. Tsy mahagaga raha mbola mety sy manan-kery hatrany ireo hira na vazo miteny efa tany amin’ny taona 1972 na 1975 ka hatramin’izao isika miteny izao. Anisan’izany ny hiran-dry Mahaleo sy ry Lolo sy ny tariny na koa ry Tselonina. Efa nanakianana sy nitsikerana ny mpitondra teo aloha ity fisambotsamborana ity fa izao miverina sy haverin’ny fitondrana izao indray. Anjaran’iza indray izany rahampitso sy ny aorian’izany. Mampandroso antsika ve izany ? Hitondra any amin’ny fitoniana dradradraina lava isan’andro io ? Midika ireo fanehoan-kevitra any anaty tranonkalam-pifandraisana any fa mbola mitoetra ny lonilony sy ny valifaty ary koa ny fifampiandrasana kendry tohina. Raha nahavaha olana sy nitondra antsika ho any amin’ny fampandrosoana izany rehetra izany, efa lasa lavitra efa ela isika… Saingy izao mihemotra izao… Noho ny toetsaina sy ny fiarovana tombontsoa manokana ary koa ny fitiavan-tena diso tafahoatra.

Tahaka izany koa io ambara fa lalàn’ny fampihavanana io. Tena hitondra antsika amin’izany ve sa tafiditry ny kajikajy politika, hikendrena olona iray na roa na maromaro… Noho ny tahotra sy horohoro mialoha ny fotoana. Firenena ity ka tokony hahay hijery sy handinika ny ho avy sy ny ampitso ny rehetra… Tokony hahay haka lesona hatrany ny tsirairay. Manomboka eo anivon’ny tokantrano, fianakaviana ary eny anivon’ny fiaraha-monina. Fotoana tokony handinihan-tena izao manakaiky faran’ny taona izao. Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra… Tsy midika ho faharesena akory izany fa fakana lesona amin’ny ho avy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.