Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra taxi sy 4×4 : tambajotra iray rava, olona 9 voasambotry ny zandary

Ravan’ny zandary ny tambajotrana mpangalatra fiara teo an-drenivohitra sy ny manodidina. Olona sivy voasambotry ny zandary tamin’izany, izay tompon’antoka tamin’ny halatra fiara roa. Ny voalohany teny Mahamasina ny voalohan’ny volana desambra teo, fiara taxi Peugeot 106 iray nangalarina efa-dahy nitonga fiara 4×4. Araka ny fanazavan’ny zandary tamin’ny mpanao gazety omaly teny Ankadilalana Mahamasina, nosakanana telo lahy teo Mahamasina ilay taxi, ary niditra ireo nilaza fa haterina amin’iny Fort Voyron iny. Nanaraka avy tao aoriana ny fiara 4×4 iray naman’izy ireo ihany. Rehefa tonga tamin’ny toerana somary maizina, nokendaina ny mpamily ary nariandry zareo teny an-toerana. Nentiny nitsoaka ny fiara taorian’izay. Tsy maty anefa ilay mpamily io, izay noheverin’ireo jiolahy fa maty. Nisy nahita izy ary nitondra azy teny amin’ny mpitandro filaminana. Nandeha ny famotorana, ka ny 3 desambra teo, tratra teny Ambohimirary ireo tompon’antoka tamin’ity halatra ity. Olona dimy voasambotra tamin’izany, ka ny roa tamin’ireo ilay namono ilay mpamily sy ny nangalatra ny taxi. Ny roa mpandoko ary ny iray tompon’ny fiara 4×4 nampiasain’ireo jiolahy.

Lasibatra koa ny 4×4

Tranga faharoa teny Mamory Ivato, ny 6 desambra teo. Fiara 4×4 Mazda BT 50 nisy nangalatra. Nandeha nanao hazakazaka vao maraina ny tompon’ny fiara tamin’io fotoana io ka izay no nohararaotin’ny jiolahy. Nanjavona ny fiara rehefa niverina ny tompony. Nametraka fitoriana ity farany ka ny 8 desambra nahazo antso ny zandary teny Ambohidratrimo fa misy olona manolo laharana fiara mitovy amin’ity very eny an-toerana. Nidina teny an-toerana ny zandary ka nosamborina ilay mpanolo laharana. Tamin’izany no nahalalana fa tao amina tranon’olona iray teny Faralaza Talatamaty ilay 4×4. Olona efatra voasambotra, ary nambaran’ny zandary fa olona akaiky ny tompon’ny fiara ihany ny atidoha, izay nanana fanalahidy dika mitovy. Natolotra ny fampanoavana omaly izy sivy ireo. Manaitra ny rehetra mba samy ho mailo ny zandary fa mirongatra ny halatra fiara, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.