Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Isotry, Petite Vitesse… : saron’ny polisy ireo jiolahy raindahiny amin’ny sinto-mahery

Isotry, Petite Vitesse… : saron’ny polisy ireo jiolahy raindahiny amin’ny sinto-mahery

 Raindahiny amin’ny fanaovana sinto-mahery sy harom-paosy eny amin’ny faritra Isotry, Andavamamba hatreny Petite Vitesse ireto jiolahy saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahefatra eny Isotry ireto…

 

Nanomboka ny zoma teo ka hatramin’ny alahady 11 desambra 2016 teo ny hetsika nataon’ny polisy amin’ny famongorana ireo andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery amin’iny faritra iny. Miisa fito hatreto ireo jiolahy voasambotry ny polisy nandritra izay telo andro  izay. Araka ny fanazavan’ny polisy, fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fokontany ary ny Commissariat Central ao Tsaralalana no nahazoana izao vokatra izao. Nohamafisin’ny polisy hatrany fa ikoizana amin’ny resaka fanendahana sy ny sinto-mahery ireto voasambotra ireto satria efa nahazoana fitarainana avy amin’ireo olona nitondra faisana avy amin’ireto jiolahy ireto. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa manao andiany ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny ary mampiasa fitaovana toy ny antsy. Manodidina ny 17 taona ka hatramin’ny 19 taona ny salan-taon’izy ireo, araka ny tatitra avy amin’ny polisy hatrany. Misy ny hetsika manokana ataon’ny polisy amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona 2016  izao mba hahafahan’ny olona manao fety am-pilaminana lavitry ny asan-jiolahy. Manentana hatrany ny polisim-pirenena amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo izay manana loharanom-baovao ho famongorana ireny andian-jiolahy ireny.

J.C

Les commentaires sont fermées.