Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankoatra ireo 21 naratra… : mpianatra 6 maty nilatsaham-potaka

Ankoatra ireo 21 naratra…  : mpianatra 6 maty nilatsaham-potaka

Mpianatra enina mianadahy, afakomaly, no indray namoy ny ainy tao anatin’ny fotoana fohy. Maty nilatsaham-potaka raha iny izy ireo mbola tao an-dakilasy iny indrindra. Tao amin’ny Fkt Mangataboahangy, Ambatofinandrahana no nitrangan’izany.

Tsy orana milatsaka, kanefa nirefodrefotra ny varatra tany amin’ny fokontany Mangataboahangy Ambatofinandrahana, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro. Mpianatra enina, roa vavy sy efa-dahy avy amin’ny sekoly katolika Sainte Thérèse tany an-toerana no maty nilatsaham-potaka. Voa mafy ihany koa ny mpampianatra iray izay lasa malemy tsy tafatsangana intsony, ary voalaza fa tena voa mafy. Ankoatra izay, mpianatra 21 hafa naratra mafy vokatr’ity filatsaham-baratra ity.

Raha ny fanazavana ihany, mafy ny fipoahan’ny filatsahan’ny varatra tao amin’ilay efitra fianarana. Indray torana tsy nahatsiaro tena ireo mpianatra iray lakilasy. Rehefa tonga ireo olona namonjy vao hita fa nisy enina ireo ankizy namoy ny ainy. Novonjena novelomina ireo sasany, ary mbola tsy tonga saina ny sasany noho ny hatairana. Efa notsaboina ny naratra rehetra. Nandrasana ao amin’ny fiangonana any an-toerana ireo namoy ny ainy rehetra.

Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny tompon’andraikitra rehetra any an-toerana izay tarihin’ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena foibe.

Tsy hay hazavaina
Tranga niseho tato ho ato ny fipoahan’ny varatra amoizana ain’olona. Anisan’ny tranga talohan’izao ny niseho teny Andranofeno atsimo, izay nahafaty olona roa ary naharatrana olona ampolony ihany koa.

Raha ny fanazavana teknika, fifandonan’ny rivotra mafana sy mangatsiaka eny amin’ny habakabaka no miteraka ny kotro-baratra sy ny tselatra. Ao ihany koa anefa ny milaza fa misy ny varatra alatsaky  ny mpisotasota. Ity tranga farany matetika no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao misy toy ity tany Ambatofinandrahana ity. Ny orana tsy milatsaka, ny varatra milatsaka ary mamono olona. Tsy hay hazavaina ny toe-draharaha tahaka itony. Fotoan’ny orana izao, mety hitranga ny filatsaham-potaka. Samy manana ny fitandremana ataony avy ny rehetra manoloana izany, indrindra ireo mampiasa entana mandeha herinaratra.

Yves S. sy Tatiana A

Les commentaires sont fermées.