Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley-ball – «CCCOI 2016» : voahosotra ho tompondaka ny zandary

Volley-ball – «CCCOI 2016»  : voahosotra ho tompondaka ny zandary

 Lasan’ny zandary avy eto Madagasikara, ny tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), taranja volley-ball sokajy lehilahy. Fahatelo kosa ny Stef’Auto teo amin’ny vehivavy.

 

Tompondakan’ny ranomasimbe Indianina 2016, eo amin’ny sokajy lehilahy ny Zandarimaria (GNVB) Madagasikara, taranja volley-ball. Resiny tamin’ny seta 3 noho 0 teo amin’ny lalao famaranana, ny Quatre Bornes avy ao Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy niady ny fihaonana satria nanjakan’ny mpilalao malagasy, nahitana an-dry Andry sy Eric ny fihaonana. Nambaran-dRazafinjatovo Honoré, mpanazatra ny ekipa fa tombony ho an’ny mpilalaony ny tanjaka ara-batana sy ny hafainganana ary nampiaiky ny rehetra izany satria tsy nihena mihitsy, io herijikan’ny mpilalao io, tamin’ireo lalao rehetra natrehina.

Ankoatra izay, efa hita fa miha matotra ihany koa ireo mpilalao tanora ao anatin’ny GNVB toa an’i Tolotra sy Mamizara ary Fenozara sy Manou.

Anisan’ny paikady nentin’ny Zandary niatrika ny Maorisianina, raha ny tati-baovao ny fanaovana “service” sarotra alaina ary maka isa amin’ny valim-panafihana.

Nohafainganin’ny mpilalao malagasy ihany koa ny lalao teo amin’ny seta faharoa sy fahatelo ka tsy naharaka intsony ny Maorisianina.

Ankoatra ny naha tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ny Zandary, lasan’i Mamizara ny “meilleur réceptionnaire” sy ny “meilleur attaquant”.  I Andry kosa no nahazo ny “meilleur contreur” ary noraofin’i Mano daholo kosa ny “meilleur passeur” sy «meilleur serveur» ary ny «Most value player» na ny MVP. I Eric Louise avy amin’ny Quatre Bornes kosa no nahazo ny «meilleur libero». Hisolo tena ny faritra faha-7 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2017, izany ny zandary.

Laharana fahatelo kosa ny Stef’Auto, teo amin’ny vehivavy, rehefa nandavo ny Cascade, tamin’ny seta 3 noho 2 (25-20, 25-21, 23-25, 13-25, 15-11).

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.