Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy ananana raharaham-pirenena ny havana

Tsy ananana raharaham-pirenena ny havana

Fiteny ny hoe: “Ny raharaham-pirenena, tsy ananan-kavana”. Tsy inona fa ny tsy famelana ny havana hanao ny danin’ny kibony na izay saim-pantany ao anaty fanjakana. Raha manao ny tsy mety aza ny havana, ampiharana lalàna fa tsy avela amin’izao na odian-tsy hita na tsy fantatra.

Nefa tsy izany ny zava-misy sy izay iainana amin’izao, fa zary tsy ananana raharaham-pirenena ny havana, ny namana, ny mpiara-miasa akaiky… Ndeha hilaza miara-mahita, na hitatitra miara-mandre? Mahabe resaka mandrakariva ny ao an-dapa: na tandapa io, na mpiandapa…

Tsy marina ny resaka etsy sy eroa? Nefa tsy mbola nisy fanitsiana ny tsy fahamarinan’ny tsaho. Raha fanaratsiana sy volohala izany, tokony hakarina fitsarana hifanatrehana ny marina. Firaisana tsikombakomba ny fanginana? Tsy vitan’ny hoe izay mangina, volamena. Na vola omena…

Anisan’ny fanamby amin’izao fitondrana izao ny hoe ady amin’ny kolikoly, fanjakana tan-dalàna, fitondrana tsara tantana… Mby aiza? Na ny sehatra iraisam-pirenena aza, mampahatsiahy lava izany. Tsy hita izay vita, fa mandeha hatrany ny resabe etsy sy eroa: tsy ilaozan’izay misy marina?

Tena atao ny ady amin’ny kolikoly, fanjakana tan-dalàna, fitondrana tsara tantana… ? Mila antomboka amin’ny tena, any an-trano, ao an-dapa… Aorian’izay, azo heverina ny eny anivon’ny andrimpanjakana, sampandraharaham-panjakana; eny, na ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga aza.

Nahoana no mahabe resaka hatrany ny kolikoly, ny fanjakana tsy tan-dalàna fa samy manao izay saim-pantany? Tonga hatramin’ny hoe fitsaram-bahoaka any ifotony… Tsy hita izay ohatra hotahafina. Na tsy tena atao ny raharaha, fa sarin’ady. Ny ankizy no tia tsapa fatana, tia tonotono ny lehibe.

Nahoana no avela hanao ny ataony hatrany ny tandapa, ny havana, ny namana… ? Tsy mahagaga raha tsy ananana raharaham-pirenena? Na tsy omen-danja noho ny havana ny raharaham-pirenena… Ny ao an-trano sy ao an-dapa aza tsy voalamina, vao mainka ny raharaham-bahoaka?

Rafaly Nd.   

 

Les commentaires sont fermées.