Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Tir de précision» : voalohany i Sock Chan Mean

«Tir de précision» : voalohany i Sock Chan Mean

Lasan’ilay teratany Kambodzianina, i Sock Chan Mean, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana mitifitra na ny «tir de précision», taranja tsipy kanetibe sokajy lehilahy. Izy indray izany no tompondaka eran-tany vaovao, amin’ity sehatra iray ity. Resiny teo amin’ny famaranana,  ilay kalazalahy frantsay i Bruno Le Boursicaud. Tamin’ny isa 36 noho 29 no nandresen’i Sock azy.

Tsy nampoizin’i Le Boursicaud mihitsy ny zava-bitan’ity mpifanandrina aminy ity. Nitarika an’isa hatrany mantsy i Le Boursicaud, teo amin’ireo “atelier” 3 voalohany 9/7 ; 9/7 ; 11/5. Lasan’i Sock daholo kosa ny “atelier” 2 ambiny ary nataony tsy nitoko mihitsy i Le Boursicaud satria 0/4 ; 0/13 nanamontsanan’i Sock, azy tamin’izany.

Raha tsiahivina, ilay Italianina Rizzi no lavon’i Le Boursicaud teo amin’ny manasa-dalana. Tamin’ny isa 50 noho 30 nisarahan’izy mirahalahy ireo. Ilay Thaillande, Sangkaew kosa no resin’i Sock, tamin’ny isa 33 noho 25 teo amin’ny ankatoky ny famaranana ilany. Lasan’i Diego Rizzi sy Sangkaew izany ny medaly alimo.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.