Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Analamanga : nifanala-baraka sy nifanebaka

Rugby Analamanga  : nifanala-baraka sy nifanebaka

Very hasina tanteraka ny lazan’ny rugby Analamanga. Nampalahelo sady nahamenatra mantsy, ny zava-nitranga taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny ho filohan’ny ligy, natao ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Ecole normale Mahamasina. Nisy mantsy ny fifanebahana sy fifanalam-baraka taorian’ny fanisam-bato, ka nahafantarana ny kandidà lany. Nisy kandidà tsy lany, nitaky ny volany tamin’ireo filohana seksiona nifidy.

Araka ny fantatra, toa nisy fifanarahana ambadika, nataon’ireo kandidà sasany, tamin’ireo filohana seksiona sy klioba mpandatsa-bato amin’ny andaniana azy ireo. Araka izany, nisy ny vola nomena ireo mpifidy ho tambiny.

Rehefa nivoaka nefa ny valim-pifidianana, tsy araka ny tokony ho izy ny vokatra ka teo no nitranga ny nafenina. Tsy nisy andraso andraso fa teo noho eo ihany ary avy hatrany dia nangataka ny hamerenana ny volany ilay kandidà tsy tafita. Notonony teo ireo olona nomeny vola sy ny sandany avy. Mba tsy isian’ny gidragidra ary noho ny fitiavana ny baolina lavalava, nisy kandidà nanaiky hamerina izany.

Tena mahonena satria voahosihosy tanteraka ny hajan’ny baolina lavalava eto Analamanga, noho ny fanjakazakan’ny fitiavam-bola. Tsy misy izany ny fitiavana ilay taranja raha ny zava-misy no zohina ary resabe sy lainga fotsiny ny fampanantenana natao hatramin’izay.

Na izany na tsy izany, lany ho filoha hitantana ny ligin’Analamanga, mandritry ny efa-taona, Ravelojaona Andry (La Pie). Nampanantena ny tenany fa hanampy ireo seksiona ary hanova ny toetsain’ny tontolon’ny rugby. Hametraka fomba fiasa matihanina sy rafitra vaovao, hanjakan’ny mangarahara.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.