Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tompon-trano mihono…

Tompon-trano mihono…

Iza izao no mba mahalala ny votoatin’ny Tetibolam-panjakana 2017? Satria ny adihevitra natao nandritra ny fandaniana ny tolo-dalana naroson’ny governemanta tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena lasa fangatahan’ny solombavambahoaka tombontsoa manokana. Toy ilay 200 tapitrisa Ar isaky ny distrika natao hamatsiam-bola ny asa fampandrosoana eny ifotony. Ny depiote maika amin’ny famoahana azy io satria izy ireo ho hitarika ny komity hitantana izany. Nandeha mihitsy ny resaka fa ampitomboana ho 400 tapitrisa Ar ho an’ireo distrika manana solombavambahoaka roa. Amin’izay angamba tsy mizara ny vola fa hitovy zo hitovy anjara izy ireo. Rehefa tsy nanaiky io fangatahana io ny minisitry ny Vola sy ny fitantanam-bola, Rakotoarimanana Gervais, sy ny ekipany, niverina indray ny resaka fiara tsy mataho-dalana. Efa zary lasa tsianjery eny Tsimbazaza izy ity rehefa manakaiky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona. Ilaina ho an’ny fampandrosoana raha ny filazan-drizareo ity fitaovana ity na fantatra aza fa mandany andro sy alina eto Antananarivo ny ankamaroan’izy ireo. Na misy na tsy misy fivoriana eny Tsimbazaza. Niady an-trano izy ireo satria ny mpanohana ny fitondrana, toy ny mahazatra rehefa avy nivory mangina niaraka tamin’ireo iraka manokana avy any ambony nilaza indray ny tokony tsy hanoratana ny fividianana 4X4 ao amin’ny tetibolam-panjakana 2017. Noho izay adihevitra maivana sy hety dia hety izay, tsy fantatra izao, ohatra hoe, mba firy ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena faobe nefa mitobaka ny famatsiam-bola? Inona no mbola ilana ilay fivorian’ny mpamatsy vola ao Parisy ny faran’ny herinandro izao? Mba manao ahoana ny fipetraky ny trosa ivelany sy ny famerenana azy? Ary ireo hetra vaovao natao hampitomboana ny vola miditra amin’ny fanjakana, ahoana ny fampiharana azy ireny? Ny vahoaka hiharany tsy mahafantatra ny andinindininy satria ireo solontenany ao Tsimbazaza tsy mba niresaka izany. Tsy zakan’ny sain’izy ireo ve ny lafiny teknika momba ireo ka aleo nafantoka tamin’iretsy adihevitra roa loha fotsiny ny raharaha. Mampalahelo sy mahakivy.

Vonjy Andrianjaka

 

Les commentaires sont fermées.