Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aza mba manao ratsy ihany e !

Aza mba manao ratsy ihany e !

Lavo ny andrarezina ! Nodimandry teo amin’ny fahasivifolo taonany, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo, i Fidèle Castro. « Rain’ny revolisiona kiobanina », hoy ny sasany. Hany mpitondra nahavita nanohitra ny imperialisma amerikanina tamin’ny fanjakazakany tao anatin’ny antsasaka siekla iray manontolo. Tsy nisy tsy niaiky azy tamin’izany ireo mpitondra goavana 11, nifandimby nitondra an’i Etazonia. Ao ireo nampitovy azy amin’i Che Guevara sy i Nelson Mandela.

Ny hafa kosa nanasokajy azy ho « mpitondra mpanao didy jadona »,  « tsy refesi-mandidy », nanapotika sy nampahantra ny firenena sy ny vahoaka kiobanina ka nahatonga azy hitoka-monina tamin’izao tontolo izao. Nisy aza, vokatr’izany,  ireo voatery nitsoaka, nanao sesitany ny tenany tany amin’ny firenen-kafa, toa an’i Etazonia, noho ny volohala sy haza lambo nanjo azy. Tsy vitsy fa analinkisa ireo niharan’izany.

Mahabe resaka, tsy eo amin’ny firenena sy ny vahoaka kiobana ihany, fa saiky manerana izao tontolo izao mihitsy izao fodiamandrin’i Fidèl Castro izao. Tsy vitsy fa maro no nitomany sy nalahelo, nilaza ho olomanga, mpanafaka ny firenena kiobanina. Fa maro koa anefa ireo nifaly havanja, nanao doboka amponga nidina an-dalambe, nanao fety be mihitsy aza, raha izay no azo ilazana azy. Ireo mpitsoa-ponenana kiobana nahatsiaro fangirifiriana amin’ny nafitsok’ingahibe Castro ka nanormi-ponenana any Etazonia no maro anisa tamin’izany.

Tonga amin’ilay fitenintsika Malagasy hoe “miady amam-paty”. Dia tena izay tokoa moa!

Mipetraka àry ny fanontaniana: ratsy sa tsara ny nataon’i Fidèle Castro tamin’ny firenena sy ny vahoaka kiobanina ? Azo antoka fa samy hanana sy hanohana ny heviny ny rehetra. Fa ny azo ambara dia ny hoe, na ratsy na tsara atao, ny ratsy ihany mazàna no tena misongadina sy mora hitan’ny mpitazana. Araka izany, aza mba manao ratsy ihany eto amin’ity tany fandalovana ity e.

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.