Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aleo hilamina !

Aleo hilamina !

Iray volana katroka anio ny Krismasy. Tokony efa hiditra amin’ny fitoniana amin’izay ny firenena. Tsy mila korontana ny vahoaka. Mitady fandriampahalemana sy filaminana.

Misy anefa ireo andian’olona mikatsaka fikorontanana amin’izao fotoana izao. Miantso hetsi-bahoaka etsy sy eroa. Tsy ekena.

Ireo karazan’olona efa mpanakorontana hatramin’izay indrindra tamin’ny andron’ny Tetezamita ihany no tazana mandrangaranga ady sy mihantsy korontana eto amin’ny firenena.

Manararaotra ny trangan-javatra rehetra hanakorontanana saim-bahoaka.

Itarina avokoa ny vaovao miseho ary ahodina handrangitana ny mpihaino sy ny mpanara-baovao ilazana fa tena tsy milamina ny firenena. Atao izay hampitroatra ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangolen-tsaina samihafa ka hisian’ny fihetsiketsehana anehoana fa mikatso avokoa ny raharaham-pirenena.

Tandremo anefa, efa betsaka koa ny vahoaka tonga. Tsy manaiky hatao tohatra fiakarana. Efa maro ireo nitondra takaitra vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpanakorontana sy mpitarika fihetsiketsehana.

Tsy misy voatohintohina, tsy misy maratra na maty ireo lohandoham-pisorona mitarika ny rotaka izay voakarama volabe. Miaina finaritra sy miadanadana any an-tranony any izy ary mitohy ny andavanandrom-piainany. Ny vahoaka madinika marivo salosana ihany no tratra farany eo. Tsy misy mijery akory ny fahavoazana avy eo.

Mitaky fitoniana, filaminana, fandriampahalemana, fahanginana… ny Malagasy iatrehany ny fihaonanana an-tampon’ny frankofonia. Tantara mipetraka ho an’ny taranaka faramandimby io na ho inona na ho inona fandemen-tsaina hatao.

Mitaky fitoniana koa ny mponina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy indrindra hitsenana ny taona vaovao ao anatin’ny filaminana tsy misy korontana.

Aleo hilamina! Aza korontanina!

Randria

Les commentaires sont fermées.