Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy manaiky matoa tsy miteny

Tsy manaiky matoa tsy miteny

Tsy misy tsy mitampim-bava sy vaky vava amin’ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao. Anisan’ny italanjonan’ny maro amin’izany ny tsy firaharahana izay miteny, ny fanamarinan-tena, ny tsy fiaikena ho diso, ny fitompoana teny fantatra, ny tsy fandinihan-tena… Efa samy nampiaka-peo ny amin’izany, ohatra, ny mpanao politika, ny firaisamonina sivily, ny fiangonana, ny mpampianatra mpikaroka…

Inona no eo? Vao mainka miharatsy ny raharaha. Na ny samy ao anaty fitondrana aza: tsy mifampatoky, mifanenjana… Eo amin’ny mpanao lalàna sy mpanatanteraka io; eny, na ny samy mpanatanteraka aza, raha asian-teny, ohatra, ny famahana ny delestazy. Amin’izany, mangina sy tsy mihetsika ny vahoaka. Miteny tsinona tsy misy mihaino; na henoina aza, valina boribory. Raha mihetsika, darohana…

Misy milaza fa manaiky, hono, matoa tsy miteny ny Malagasy: miaritra sy maharitra amin’izay mitranga, miforitra tsy manohitra. Amin’izany, vao mainka manararaotra manao ny ataony ny mpitondra. Mety eo ihany izay… Na izany aza: rehefa miteny tsy mahazo izy, aleony manaja tena. Raha manao no tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; raha miraviravy tanana, avelao hivarina amin’ny tany.

Miala nenina te hanarina izy matoa mitsikera: tsy te hanan-dratsy. Ny hendry ihany no anarina. Iza no ndeha hiady amin’ny adala? Rehefa mangina ny Malagasy, mby amin’ny hoe: azy ho azy ny azy… Diso ny fitsaran’ny vahiny sasany hoe tsy mahay mandà ny Malagasy, fa manaiky izay tenenina sy atao aminy. Tsy te handrava na hanohintohina fihavanana izy, dia izay. Zava-doza ny hoe aloam-bahoaka.

Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andriny ihany? Na ho ela na ho haingana, ho avy ny loza amin’ny fanararaotana sy fanaovana zinona ny vahoaka. Amin’izany, tsy misy mandaitra intsony na toy inona tetika, fanambazana, fampiasan-kery, famitahana… Izay no tsy tsinjon’ny mpitondra jamban’ny fitsambikimbikina mikimpy amin’ny vahoaka tsy miteny… manaiky? Misy fatrany sy fetrany zava-drehetra.

Resaka avokoa izany. Amin’izao aloha, ny Frankôfônia no atrehina. Hanao ahoana ny aorian’izay? Navela sy odian-tsy amin’io tsinona zavatra hafa rehetra. Na ho lasan’izay ny ratsy rehetra…

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.