Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – «CCCOI 2016» : nomontsanin’ny St Michel ny Kaomorianina

Handball – «CCCOI 2016»  : nomontsanin’ny St Michel ny Kaomorianina

Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), taranja handball. Fihaonana, tanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano.

Anisan’ny vokatra nisongadina teo amin’ny sokajy «B» lehilahy ny nanamontsanan’ny AS St Michel an-dry zareo Uhuru avy atsy Kaomoro, tamin’ny isa mavesatra 41 noho 12. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nanjaka tokana ry Zo sy ny namany, tamin’ity. Nitarika anisa hatrany am-boalohany ka hatramin’ny fiafaran’ny fotoana ny mpilalao malagasy.

Tetsy ankilany, lavon’ny US Tamponaise kosa ny Hasin’i Toamasina. Tamin’ny isa 24 noho 21 ny nahazoan’ny Reonioney ny fandresena, tamin’ity. Niady ny fihaonana, saingy ny nahavoa ny ekipan’Antsinanana tsy fitandremana kely. Nanao fanafihana tsy nahomby ka mivadika baolina maty ho an’ny vahiny izany.

Teo amin’ny vehivavy, sokajy “B”, niondrika teo anatrehan’ny AS Tsiky, tamin’ny isa mazava 31 noho 12, ny MF Storm avy any Seychelles. Nifanalavitra ny fahaizan’ny mpilalao teo amin’ny roa tonta. Nanantombo betsaka na teo amin’ny tanjaka na ho an’ny taktika ny mpilalaon’i Boeny. Ny JSB La Réunion indray, nanilika ny PC Boueny Mayotte, tamin’ny isa 20 noho 11.

Hitohy anio ny fifanintsanana ka lalao fito ny voalahatra amin’izany, telo eo amin’ny vehivavy ary efatra kosa ho an’ny lehilahy.

Torcelin

08:00  – V- “A” : Port Maorisy # Company Mayotte

09:00  –  V-“B” : Storm Seychelles # JSB La Réunion

10 :00 – V-«B» : AS Tsiky # Boueny Mayotte

11:00 – L-“A” : Tampon # Tsingouni

02:00 – L-“A” : Brothers Seychelles # Curepipe Maorisy

03:00 – L-“B” : St Gilles La Réunion # Tsimkoura Mayotte

04 :00 – L-«B» : Vacoas Maorisy # AS St Michel

 

Les commentaires sont fermées.