Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – «CCCOI 2016» : resin’ny USB ny AS Tsiky

Handball – «CCCOI 2016»  : resin’ny USB ny AS Tsiky

Nanomboka, omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), taranja handball. Ratsy fiditra ny AS Tsiky teo amin’ny vehivavy satria resin’ny JS Bénédictine, La Réunion, tamin’ny isa 21 noho 17.

Tetsy ankilany, lavon’ny THBC, tompondakan’i Madagasikara tamin’ny isa 21 noho 16 ny AS Company, avy any Mayotte. Mbola nisongadina ny fahaiza-manaon-dry Lala Be, tamin’ity. Marihina fa ekipa 7 no mifaninana eo amin’ny vehivavy ka ny telo ao amin’ny sokajy “A”, misy ny THBC, AS Company ary ny Port Louis Maorisy. Miaraka ao amin’ny sokajy “B” kosa ny Boeny CC Mayotte, M Storm Seychelles, JSB sy ny AS Tsiky.

Teo amin’ny lehilahy, nisaraka ady sahala 22 noho 22 ny Hasin’i Toamasina sy ny AS Tsingoni, avy any Mayotte. Niady ny lalao ary nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitra be. Ekipa 10 no miady ny lohany ho an’ny lehilahy. Ao amin’ny vondrona “A” ny Hasin’i Toamasina, Tsingoni Mayotte, Tampon La Réunion, AS Brothers Seychelles, Curepipe Maorisy. Ny vondrona “B” no misy ny Tsimkoura Mayotte, ST Gilles La Réunion, Vacoas Maorisy, Uhuru Kaomoro, AS St Michel.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.