Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mihaingo ambony tsikoko ?

Mihaingo ambony tsikoko ?

Frankofonia mahabe resaka… Tsy mba resaka tsara toy ny nandraisantsika ny « Lalaon’ny Frankofonia » anefa ny resabe mandeha manodidina ny fandraisana ity fihaonana an-tampony ity. Tena ratsy endrika sa misy manaratsy endrika ? Fanontaniana saro-balina izay, fa ny rehetra, farafaharatsiny ny mponina eto Antananarivo aloha, no afaka mitsara izany.
Misy ny foto-drafitrasa maro vita na an-dalam-pamaranana. Tsy azo hodian-tsy hita kosa ny lalam-baovao, ny lalana simba ezahina amboarina, ny tanànan’ny Frankofonia, sns. Vao mainka anefa mampitombo ny fankahalana izay hita sy tsapa anatin’ny resaky ny maro eny rehetra eny izany. « Vonjy tavanandro », « Teren-ko masaka », sns.
Tena ilaina ve sa tsia ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ? Angamba tsy any intsony no tokony ihadian-kevitra. Efa an-koditra io. Nivoaka ny didy sy ny fepetra maro isan-karazany, manodidina izany hetsika goavana horaisina eto amintsika izany. Tsy mianatra ny mpianatra, tsy mahazo mivezivezy an-tanàn-dehibe ny posy sy ny sarety, ho maro ny mpitandro filaminana hiasa…
Fepetra tsy maintsy raisina na aiza na aiza, rehefa misy zava-dehibe handraisana vahiny manan-kaja maro izany. Na izany kosa aza, toa mahatsapa ny ankamaroan’ny vahoaka, indrindra ny eto Antananarivo, fa ezahina hafenina ny fahoriana sy ny fahantrana misy eto Madagasikara. Mety efa fanao ny manangona ireo tsy manan-kialofana mankany amin’ny toerana nomanina ho azy, saingy tsy maintsy mandeha ny resaka fa noho ny Frankofonia ny tena antony “hanafenana” azy ireo.
Ny mba hirariana, hitohy aorian’ny Frankofonia ny fanadiovana sy ny fanatsarana. Raha tsy hoe miandry vahiny manaraka indray?

Zo ny Aina Randriatsiresy

Les commentaires sont fermées.