Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – CCCOI 2016 : hisolo tena ny «Zone 7» i Madagasikara

Basikety – CCCOI 2016 : hisolo tena ny «Zone 7» i Madagasikara

Ekipa malagasy dia ny MB2 All eo amin’ny vehivavy ary ny Ascut ho an’ny lehilahy, no hisolo tena ny faritra fahafito «Zone 7», amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety 2017. ireo no nivoaka ho mpandresy ary nibata ny amboara, nandritra ny fifaninanana, izay nifarana ny alahady lasa teo.

 Ny Ascut nanilika ny Vautour avy any Mayotte, tamin’ny isa 79 noho 57. Adin’ny samy Malagasy kosa ny teo amin’ny vehivavy, izay nandresen’ny MB2 All ny Fandrefiala, tamin’ny isa 72 noho 67.

 Torcelin

-Ireo mendrika nandritra ny CCCOI 2016 :

 

Vehivavy

 

-Mpilalao nahafaty baolina be indrindra : Mampionona Solotiana Miorasoa – (Isa 57) – MB2 All Analamanga

-Mpilalao nahafaty isa telo be indrindra : Marianna Gabriella – (Tifitra 7) – JEA Vakinankaratra

-Mpilalao mendrika indrindra : Mampionona Solotiana Miorasoa – JEA Vakinankaratra

– Ekipa “Fair-play” : Fandrefiala

Lehilahy

–Mpilalao nahafaty baolina be indrindra : Ahmed Henri Salim – (Isa 73) – Vautour Mayotte

-Mpilalao nahafaty isa telo be indrindra : Ramarosata Ndranto – (Tifitra 11) – GNBC Vakinankaratra

-Mpilalao mendrika indrindra :  Ahmed Ibrahim – Ascut Toamasina

– Ekipa “Fair-play” :  Vautour Mayotte

Les commentaires sont fermées.