Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «CCCOI 2016» : nitsoaka ny Zandary ny Reonioney

Basikety – «CCCOI 2016»  : nitsoaka ny Zandary ny Reonioney

Tsy niandry ny fahataperan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2016), taranja basikety notanterahina tany Antsiranana, ny ST Pierre avy atsy La Réunion fa nitsoaka mialoha ny fotoana. Vao resin’ny Ascut teo amin’ny lalao manasa-dalana, tamin’ny isa 65 noho 61, ry zareo Reonioney, ny asabotsy lasa teo, nangoron’entana avy hatrany ary nitsoaka nody any aminy.

Raha ny fandaharam-potoana, mbola tokony hiady ny toerana fahatelo, tamin’ny GNBC na ny Zandary, ry zalahy, omaly, saingy tsy raikitra intsony. Araka ny vaovao voaray, toa tsy nisy fialan-tsiny na mba fanajana ny mpifanandrina sy ny mpikarakara akory nataon’ny delegasiona reonionezy fa nandeha fotsiny tamin’izao.

Teo amin’ny sokajy vehivavy, lasan’ny JEA Vakinankaratra ny laharana fahatelo, rehefa resiny tamin’ny isa 72  noho 46, ny Iloni avy any Mayotte. Tsy niady ny fihaonana satria mbola noporofoin’ny tovovavin’i Vakinankaratra indray ny maha ekipa goavana azy eto Madagasikara. Tsy mbola afa-bela, tamin’ny JEA, indray izany teto ny Mahorezy, izay efa resiny tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.