Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Poule des As» : vonona hatrany ny Som Fosa Junior

Kitra – «Poule des As»  : vonona hatrany ny Som Fosa Junior

Hitodika any Mahajanga avokoa ny mason’ny mpijery baolina rehetra, manomboka ny alahady ho avy izao, hiatrika ny lalao mandroso amin’ny “Poule des As”, dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Vonona avokoa ireo ekipa efatra hiatrika izany dia ny Cnaps Sport, avy any Itasy tompon’ny anaram-boninahitra farany. Eo koa ny Elgeco Plus sy ny FC Zanak’ala ary ny Som-Fosa Junior avy ao Boeny.

Hisantatra ny fihaonana amin’ity ny Som Fosa Junior sy ny Elgeco Plus, Analamanga. Hanala vela eto ny ekipan’i Boeny, izay vao avy niondrika teo anatrehan’ny Elgeco Plus teo amin’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny amboara. Vonona ny Som Fosa Junior, izay vao avy nanavao ny mpanazatrany. Tsy hanaiky lembenana ihany koa nefa ny Elgeco Plus, etsy an-kilany.

Ankoatra izay, hiaro ny maha tompondaka azy koa ny Cnaps Sport, izay hifandona amin’ny FC Zanak’ala. Tsy vao izao akory ireto ekipa roa tonta ireto no nihaona fa efa imbetsaka. Nanana tombony tamin’ny fandresena hatrany ny Cnaps, tamin’izany. Hanala ny velany koa ny Zanak’ala amin’ity.

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.