Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Tournoi Mijoroa» : lalao goavana efatra amin’ny alahady

Rugby – «Tournoi Mijoroa»  : lalao goavana efatra amin’ny alahady

Hiatrehana ny taom-pilalaovana vaovao, ary koa ho fanampiana ny klioba hiatrika izany, hisy “tournoi” karakarain’ny fikambanana Mijoroa, tanterahina ny alahady 13 novambra ho avy izao, eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Manasa-dalana avy hatrany no atrehina. Eo amin’ny Elite 2, hihaona ny Afa sy ny FBM ary 3 FAI sy ny FTN Nanoah. Hidona eo amin’ny Elite 1 kosa ny IRC sy ny Cheminots ary ny STM sy ny Cosfa.

Hotontosaina ny 20 novambra ny famaranana ka hisy ny fampiasana «arbitrage video», hialana amin’ny fimenomenoman-dava, eo amin’ny mpijery. Ankoatra izay, nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahany ho filohan’ny ligin’Analamanga koa Randrianarison Georges, sekretera jeneralin’ny ligy teo aloha. Nolazainy fa antony nanosika azy hirotsaka ny handrindra ny rantsa-mangaika rehetra, izay tsy nisy hatramin’izay. Hiara-kiasa amin’ny seksiona koa izy, raha lany, ka hojereny manokana ny fampandehanana ny fifaninanana sy ny fitsinjarana ny kianja hilalaovana ary indrindra, ny fampiharana ny fitsipika ifampifehezana.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.