Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «CCCOI 2016» : mitarika ny Ascut sy ny Vautour

Basikety – «CCCOI 2016»  : mitarika ny Ascut sy ny Vautour

Hiditra amin’ny lalao faharoa amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny ekipa lehilahy anio, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), taranja basikety. Fihaonana, tanterahina any Antsiranana. Taorian’ny andro voalohany, natao ny alatsinainy lasa teo, mitarika ny Ascut Toamasina, ao amin’ny sokajy “A”, taorian’ny nandreseny ny Zandary, tamin’ny isa 90 noho 78.

Voalohany ihany koa ny Vautour avy any Mayotte, ho an’ny vondrona “B”. Nandresy ny Ushindzi avy atsy Kaomoro, tamin’ny isa 81 noho 49, ny Mahorey teo amin’ny fihaonana voalohany. Raha ny fandaharam-potoana, hifandona amin’ny Zandary ny TCO Mayotte ary ny ST Pierre La Réunion, hifampitana amin’ny Ushindzi.

Ny Fandrefiala, hihaona amin’ny Iloni Mayotte, eo amin’ny vehivavy, ary MB2 All, hikatroka amin’ny JEA Vakinankaratra. Marihina fa manohana ity fihaonana ity ny Telma. Hisy fifaninanana samy hafa karakarain’izy ireo mandritra ny fihaonana, toy ny fifaninanana mitifitra isa telo, ary ny “concours de dunk”, ho an’ny mpijery tonga mijery ny lalao. Samy hahazoana loka avokoa.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.