Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : mihoatran’ny mahazatra ity volana ity

Ny fampiantranona ny Fivoriana Tampony ny Fikambanan’ny Firenena mampiasa teny frantsay dia mampiavaka an’ity volana novambra ity eto amin’ny nosy. Tsy misy maharatsy an’io fandraisana vahiny sady maro no manan-kaja io, mety ho voninahitra aza izany raha toa tomombana ny fanatanterahana azy, no raha izay no izy dia afaka hitrandrahana tombotsoa. Tsy vitavita foana anefa ny fahalavorariana an’izany, mila fiomanana mipetrapetraka. Ny fanomanana no atao mitombona arak’izay izy, ny tena kosa tsy mipetrapetraka nohon’ny ezaka sy fandeferana tahak’ izany. Ny fitazanana moa indraidray miangatra ihany angamba izany no mahatonga ny maro ahita vilana amin’ ny filazana hoe peta-toko ny fanefana ny fanomanana. Iny moa dia tsy iadin-kevitra intsony efa tongotra mby an-dakana miandry fotsiny ny fidonana sisa toy ny an’i rafotsibe ambody laona. Tsy hita ierehana daholo ny zava-maika rehetra moa, na andavanandro aza eo amin’ny adidy sy ny asa tsy maintsy misy foana ny lahara-pahamehana, fa noho ity andraikitra noraisina ity dia nitombo ny maika tsy maintsy nampandeferina. Niteraka tsy fitovin-kevitra ny safidy momban’ny asa naato sy ny raharaha navela eny amin’ny sisiny. Tsy fotoana intsony anefa anohizana adiady mikasika an’izany, tsy maintsy miray hina na fara-faharatsiny mifehy tena mba tsy ho sakatsakana ho an’ny fanatanterahana an’io fampiantranona io. Na tompon’antoka voalohany aza ny mpitondra dia amin’ny firenena no mipetraka ny sedra. Ny firenena no ahazo dera na ho afa-baraka. Ny fitondrana higoka tsiron’ny fahafam-po na hitelina poizina mangidy. Na mitondra hazavana fitsinjovana ny taona ho avy ilay fandraisana Fivoriana Tampony ho an’ny fikambanam-pirenena efa manafosafo 90 ny isany, na manamaizina ny famaranana ny taona ho an’ireo mpitondra.

Maro amin’ireo vahiny no ho lava-maso na anao modimody tsy mitazana aza. Vitsy anefa ireo zavatra misarika maso maha te ho deraina, eo anilany kosa maro ny taratry ny fahantrana sy ny tsy fahombiazana izay tsy hita afenina. Tsy vita ho takonana daholo ny fery  na teo aza ny ezaka natao ho  fandrakondrakofana ny farasisa toy ny fitafiana akanjo marevaka fanafenana ny tsikoko tsy voakiky. Na atao aza no tsy itsikera, tonga ho azy ihany ny fanontaniana, inona ny antony niandrasana hatramin’izay raha afaka natao ihany rehefa poritra ? Ny fiandrasana fara-fotoana matetika mitory toe-tsaina mikasika ny fitiavana manao asa koropaka sy fanekena ny fanaovana alasafay.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.