Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Festival d’art urbain » : nomena laka ny talentan’ny tanora

« Festival d’art urbain »  : nomena laka ny talentan’ny tanora

Nofaranana, ny asabotsy 28 oktobra teo, teny Analamaitso Analamahitsy, ny « Festival d’art urbain », karakarain’ny Is’Art Galerie. Nahazo sehatra avokoa ireo karazan-javakanto fanao an-tanàn-dehibe, amin’ny maha « art urbain » azy. Hetsika anisan’ny nanome laka ny talentan’ny tanora. Nibahan-toerana ny seho an-tsehatra, indrindra ny mozika. Maromaro ny mpanakanto nifandimby haneho ny talentany, toa an-dry Zanaray Percussion, Rybota, Loharano, l’Aléa des possibles, Nully Ratomosoa, Dadlaah Ben J., Christelle Ratri, Judith Manantenasoa.

Nandritra ity hetsika ity rahateo no nahitana ilay fiovan’endrika teo amin’ny sehatra Analamaitso. Anisan’ireny ny karazan-tsary fanao sy fahita amin’ny faritra na rindrina malalaka any amin’ny tanàn-dehibe.

Marihina fa nanomboka ny 15 oktobra teo izao hetsika izao ka tsy teto Antananarivo ihany no nanatanterahana azy fa nisy ihany koa tany Mahajanga.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.