Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faran’ny herinandro an-tsary

Faran’ny herinandro an-tsary

Sady nahazo fahafinaretana ny maso no nahazo ny anjarany ihany koa ny sofina… « Soirée des artistes » notontosaina teny amin’ny Pack Yellow Ivandry, nahitana ireo sary « illustration » sy « graphisme », sanganasan’i Arian. Noravahin’i Sandrine Rajaofetra tamin’ny feo manga izay somary nirona tany amin’ny jazz kokoa.

Nitamberina tao anatin’ny ora vitsy ireo taona maro nodiavina… Saika izay fahatsiarovana izay no tena nisongadina tamin’ny fampisehoana nataon-dry Lôlô, nandritra ny roa andro nisesy, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Tsikaritra ho toa reradreraka i Lôlô ny zoma alina, saingy navotan-dry Benny, Bebey ary Sammy izany. Nanao izay ho afany teo ihany koa i Farah, nanaingo ny fampisehoana…

Les commentaires sont fermées.