Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra : nosoloina vazaha ny mpanazatra ny Barea Academy

Kitra : nosoloina vazaha ny mpanazatra ny Barea Academy

Ho fanomanana tsara ny Barea Academy, nanapa-kevitra ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa soloina ny mpanazatra. Nesorina, Lemarc ary nomena vazaha ny toerany.

Noho ny tsy fahombiazana tamin’ny “Cosafa cup”, farany teo, nosoloin’ny federasiona (FMF), an’ilay Frantsay, i Fleury Roger, ny mpanazatra ny Barea Academy.  Rahampitso asabotsy izy no ho tonga eto Madagasikara. Teratany Hollandey natolotry ny Som Fosa Junior kosa no hanampy azy, amin’ny fitantanana ity ekipam-pirenena zandriny ity,

Tsy mbola fantatra kosa izay handoa ny karaman’izy ireo fa ny fanomanana ny Barea Academy, amin’ny fiatrehana ny “Can U17”, hatao eto Madagasikara, ny andraikitra nomena azy ireo.

Ankoatra izay, hikatona ny kianjaben’i Mahamasina, ka amboarina ny bozaka eo aminy ary hisy manampahaizana Renioney, hisahana izany.

Fantatra ihany koa fa handray anjara amin’ny fifanintsanana amin’ny “Chan 2018”, na ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy mpila ravinahitra ny Barea zokiny.

“Telma coupe de Mada”

 Hotontosaina ny alahady 16 oktobra ho avy izao, ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Madagascar 2016”. Notontosaina, teny amin’ny Urban Futsal Andraharo ny fisarihana ireo ekipa 8 tafita amin’izany. Hiverina hidona, any Fianarantsoa ny Cnaps Sport sy ny AS Comato Atsimo Andrefana. Hanala vela amin’ity ny ekipan’i Toliara satria efa resin’ny Cnaps, teo amin’ny fifanintsanana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Ankoatra izay, hifanazava amin’ny Tana Formation kosa ny FC Otiv Ambatondrazaka. Hidona any Mahajanga kosa ny FC Joel sy ny Som Fosa Junior ary adin’ny samy Analamanga ny an’ny Cosfa sy Elgeco Plus.

Hatao ny alahady 6 novambra, ny manasa-dalana ka hifandona eo amin’izany dingana izany,  ireo ekipa roa mandresy any Fianarantsoa sy izay tafavoaka any Mahajanga.

  Tompondaka

Les commentaires sont fermées.