Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiahin’ny tantara : hotsarona Rainandriamampandry

 Feno 120 taona ny 15 oktobra ho avy izao, ny nitifirana an-dRainandriamampandry. « Hotsarovana sy homarihina mandritra ny herinandro, manomboka ny 9 oktobra izao izany ka hambara amin’ny mpanao gazety rahampitso (anio) ny antsipirian’ny fandaharam-potoana », hoy ny komity mpikarakara ny fanamarihana, Andriantsilavo Rabezato Guy sy Randria, omaly.

Anisan’ireo niaro an’i Toamasina nanoloana ny fananiham-bohitry ny vazaha teo anelanelan’ny 1882-1895 izy. Notofirin’i Gallieni ny 15 oktobra 1895 rehefa tafiditra teto ny mpanjanatany. Olomanga feno Rainandriampandry. Mpitandrina sy evanjelistra,  mpanoratra sy mpanao tantara ary mpikabary. Eo koa ny maha filozofy azy sy ny naha minisitra lefitry ny Raharaham-bahiny azy. Anisan’ny nahafantarana ity jeneraly mpitari-tafika ity koa anefa ny nisahanany ny andraikitry ny governoran’i Toamasina, fony fanjakan-dRanavalona III.

Tsiahivina fa mitondra ny anarany ny sekoly, lycée Rainandriamampandry etsy Ankadifotsy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.