Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotoamboa Jean-Louis : “Tsy mety ny lalàna tsy ahazoana midina an-dalambe”

Rakotoamboa Jean-Louis  : “Tsy mety ny lalàna tsy ahazoana midina an-dalambe”

 Nitondra ny heviny momba fahalalahana maneho hevitra ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis. Nambarany fa misy fanovana tokony hatao eto.

 

 “Misy lalàna tsy mety eto amintsika, hatramin’ny Repoblika I ka hatramin’izao. Nefa ampiharina hatrany izany: raha misy tsy mety ataon’ny fitondrana ka te hidina an-dalambe ny tena, maka fahazoan-dalana any amin’ny mpitondra.”

Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’ny fanakanan’ny mpitandro filaminana izay hetsika an-dalambe rehetra tsy ahazoana alalana.

Efa hatramin’ny Repoblika io lalàna 60-082 io. “Ny olona hotrongisina ve no hakana fahazoan-dalana? Tsy mety io lalàna io”, hoy izy. Manara-dalàna ny mpitondra amin’ny fanakanana izay midina an-dalambe tsy nahazoan-dalana.

Mila ovaina ny lalàna

Noho izany, mila ovaina io lalàna io. Raha ny fijeriny manokana: raha misy tsy mety ataon’ny mpitondra ka te hanao hetsika ny olona, misy toerana manokana ifanarahana hanaovana izany.

Hasiana mpitandro filaminana fotsiny amin’izany toerana fanaovana hetsika izany mba hahafahan’izy ireo mandray fepetra tsy hisian’ny fihoaram-pefy. “Avelao ny olona hanao hetsika sy fanehoan-kevitra an-kalalahana. Ny lalàna eto amintsika no mamela ny mpitondra hampiasa miaramila hanao fanerena toy ireny”, hoy ihany izy.

Tsy antenaina amin’izany ny mpitondra amin’izao

Ny mpitondra amin’izao fotoana izao, na mpanatanteraka na mpanao lalàna, no antenaina amin’izay fanamboarana lalàna izay? Ny tombontsoany sy ny toerany avy no zava-dehibe sy manahirana ny maro amin’izy ireo, fa tsy izay fahalalahan’ny olom-pirenena mihetsika sy maneho hevitra.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.