Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainana antoko : liana amin’ny tantaran’ny Arema ny any Antsiranana

Fiainana antoko  : liana amin’ny tantaran’ny Arema ny any Antsiranana

Nitohy any Antsiranana indray, taorian’ny tany Mahajanga, ny fanamarihana ny faha-40 taon’ny Arema. Natomboka amin’ny fampirantiana sary maneho ny fahazazan-dRatsiraka,  ny vehivavy sy ny tanora Arema ary koa ny akanin-jaza sy ny zava-bitan’i Deba izany. Haharitra herinandro izany hetsika atao eo anoloan’ny lapan’ny Tanànan’Antsiranana izany. Nahasarika  tanora, olon-dehibe sy ankizy ity fampirantiana sary maherin’ny 600 ity ka efa maherin’ny 1 000 ireo tonga nitsidika ny tranoheva tamin’ny fotoam-panokafana. Maro koa ireo namandrika hividy ny Boky mena amin’ny teny malagasy na frantsay.

Ho avy any an-toerana kosa ny amiraly Ratsiraka ny asabotsy izao, ary hotsenaina eny amin’ny seranam-piaramanidina. Handaha-teny ao amin’ny « Foyer Secren » ny tenany ka inoana fa hitondra hafatra ho an’ny vahoaka sy ny mpitondra indray.

Mitarika izao hetsika izao ny mpandrindra ny faha-40 taon’ny Arema, Ramanana Réné, sy Ratsiraka Sophie.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.