Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atletisma : hiroso amin’ny fifidianana

Atletisma  : hiroso amin’ny fifidianana

Araka ny filazana voaray, hotontosaina ny asabotsy 15 oktobra ho avy izao ny fivoriambe miaraka amin’ny fifidianana fanavaozana  ny komity mpitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja atletisma, tarihin-dRazafindramiasa Léonard. Hisy aloha ny tatitra ny zava-bitan’ireo mpitantana teo aloha, nandritra ny taom-pilalaovana 2015. Angatahin’izy ireo “quitus”, amin’ireo seksiona efatra, izay efa nahatontosa ny fifidianany, ihany koa izany dia Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo.

Tsiahivina fa tsara ny vokatra ho an’Analamanga, satria voalohany teo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy rehetra ary faharoa teo amin’ny sokajy tanora. Nandrombaka medaly volamena telo kosa nandritra ny lalao CJSOI.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.