Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vavatenina : andiany faha-15 ny « Festival Jerijery »

Vavatenina  : andiany faha-15 ny « Festival Jerijery »

Anisan’ireo lanonana goavana indrindra any amin’iny faritr’Analanjirofo iny ny « Festival Jerijery ». Tafiditra amin’ny andiany faha-15 ity hetsika kolontsaina sy fizahantany ary toekarena fanao isan-taona any Vavatenina ity. Somary naroso kely ny tamin’ity taona ity mba hialana amin’ny firotsahan’ny orana. Raha ny faramparan’ny volana oktobra miafara amin’ny voalohandohan’ny volana novambra izany teo aloha, ny 26 oktobra ka hatramin’ny 30 oktobra izao kosa no hanatanterahana izany amin’ity taona ity.

Mpanakanto maro no handray anjara amin’izany. Anisan’ireny i Black Nadia, Tsiliva, Odyai, Kaiamba tena izy, Raprosy mpanao vakodrazana betsileo, Florida (zanaka anabavin’i Mamy Gotso, mihira ny hira fanevan’ny Jerijery ). Hanentana i Francis Turbo. Hanafana ny fotoana koa ireo mpanakanto malaza ao Vavatenina sy Toamasina. Hisy ny fifaninanana fanatanjahantena samy hafa toy ny baolina kitra, hand ball ny 26 oktobra. 27 oktobra, « Carnaval » fanokafana amin’ny fomba ofisialy. 28 oktobra hetsika kolontsaina, 29 sy 30 oktobra, « Grand spectacle » ao amin’ny kianja Jerijery.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.