Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can U17» : fantatra avokoa ireo ekipa valo tafita

Kitra – «Can U17»  : fantatra avokoa ireo ekipa valo tafita

 Voarain’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) avokoa ny anaran’ireo ekipa valo hiatrika ny Can, ho an’ny sokajy U17, tanterahina eto Madagasikara ny taona 2017. Miandry ny antsapaka sisa ny rehetra.

Efa fantatra avokoa ireo firenena valo tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2017), sokajy zandriny U17, taranja baolina kitra. Fihaonana hotanterahina eto Madagasikara, ny 2 ka hatramin’ny 16 avrily ho avy izao. Araka ny tapaka teo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), hotanterahina any Le Caire, Egypta, ny alatsinainy 24 oktobra, ny antsapaka ho an’ireo izay hiara-bondrona, amin’ity fihaonana ity.

Hozaraina ao anaty sokajy roa ireo ekipa valo ireo ka mifandimby mihaona. Miatrika ny lalao manasa-dalana ireo roa voalohany isan-tsokajy. Raha tsy misy ny fiovana, misolo tena an’i Afrika, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ho an’ity sokajy U17 ity, ireo ekipa efatra tafakatra amin’ny ankatoky ny famaranana.

Tsiahivina fa hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany ny Voromaherin’i Mali. Tsy anisan’ireo tafita amin’izao dingana famaranana izao ry zareo Nizerianina ary i Afrika Atsimo, nitana ny laharana faharoa, nandritra ny “Can U17”, natao tany Niger ny taona 2015. Anisan’ireo ekipa goavana very tamin’ity “Can U17” ity ny Lionan’i Téranga avy any Sénégal sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ary ny Gaboney.

 Torcelin

Ireo ekipa tafita amin’ny Can U17

Madagasikara (Firenena mpampiantrano) ; Mali (Tompondaka farany) ; Ghana ; Niger ; Ginea ; Kameronina, Kongo ; Angola

 

 

Les commentaires sont fermées.