Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitaterana : tsy nahovoka ny UCTU, vitsy ireo taxi-be nitaky 500 Ar

Fitaterana : tsy nahovoka ny UCTU, vitsy ireo taxi-be nitaky 500 Ar

Manaporofo fa tsy to teny ao amin’ny tontolon’ny fitaterana an-tanàn-dehibe ny UCTU ny zava-niseho, omaly. Zara raha nisy nampihatra ny fampiakarana ny saran-dalana ho 500 Ar.

Vao maraina be ihany ireo mpamily mpanampy no nanararaotra ireo mpiasa maraina ka nitaky ny saran-dalana ho 500 Ar. Nihena ireo mpitatitra nitaky izany noho ny atoandro ny andro.

Ny sasany aza mbola manaiky ny saran-dalana ho 200 Ar sy 300 Ar rehefa akaiky ny toerana ialan’ilay mpandeha. Niteraka resa-be teny ambony taxi-be mihitsy ity saran-dalana ity ary mampibaribary fa tsy miray hina amin’ny UCTU avokoa ny mpitatitra rehetra.

Anisan’ny nampiakatra ny saran-dalana ireo zotra izay fohy indrindra ny lalana alehany sady ratsy kalitao. Nanaja ny saran-dalana 400 Ar koa ireo tsara kalitao sy mandeha lavitra.

Tsy ny 10%-n’ny taxi-be akory no nampiakatra ny saran-dalana ho 500 Ar araka izany.

Misy ireo mpitatitra milaza fa tsy misy ny fitsinjovana ny olona mpandeha taxi-be ary fanararaotana tafahoatra ity fampiakarana ny saran-dalana 100 Ar be izao.

Ny sasany aza milaza fa sao misy ambadika fanakorontanana ara-politika izao fampiakarana saran-dalana ankatoky ny fidiran’ny mpianatra sy ao anatin’ny raharaha mafampana eto amin’ny firenena izao.

Tonga amin’ny fotoana tokony fanajana tena ny filohan’ny UCTU ka mila mametra-pialana mihitsy koa araka ny hevitry ny kaoperativa sasany satria sady tsy toteny amin’ny besinimaro intsony no manao amboletra eo amin’ny fanapahan-kevitra.

Nilaza ho nanao fivoriana hitadiavam-bahaolana hitazomana ny saran-dalana ho 400 Ar ihany koa minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, omaly.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.