Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadiovana amin’ny alina : nesorina ny 4’mi, norarahina fanafody ny tanàna

Fanadiovana amin’ny alina  : nesorina ny 4’mi, norarahina fanafody ny tanàna

Nanomboka tamin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 10 ora alina ny fanadiovana faobe nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny alatsinainy teo. Nanala ireo 4 mi na ireo tsy manan-kialofana miparitaka eran’ny tanàna sy nanala ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna izy ireo tamin’izany. Nesorina indrindra koa ireo mpivarotra toaka sy zava-pisotro amoron-dalana tsy nahazo alalana.

Niditra tamin’ny fanasana ny toerana rehetra izay nisy azy ireo ny kaominina taorian’izany. Telo ireo kamiao voatokana nampiasana. Norarahina ranom-panafody (cresyl) mamono ireo bibikely sy otrikaretina  ary loto rehetra ireo toerana voadio mba hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina vokatry ny loto.

Anisan’ny toerana nodiovina ny fandrian’ny 4’mi sy ny mpivarotena tetsy Ambatomena , Analakely, Ambodifilao, Tsaralalana, Petite vitesse . Mbola mitohy ao anatin’ny 8 andro ny asa fanadiovana isan-kalina amin’ny fanondrahana fanafody sy fanadiovana.

Marihana fa miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanomezana karazana fanafody famonoana ireo bibikely sy ny otrikaretina isan-karazana, toy ny “cresyl” 300 litatra ary “Novos” 1600 litatra.

Ho an’ireo miasa eny Analakely sy ny manodidina, samy mahatsapa fa maimbo ny tanàna, maloto amin’ny afitsok’ireo mpatory an-dalàna. Misy ny toeram-pivoahana eny Analakely saingy tsy mampiasa izany izy ireny fa manao maloto eny rehetra eny.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.